Webradio

ANTSIRANANA : Tafapetraka ny komity manohana ny kandida Andry Nirina Rajoelina

Nanao fanambarana ny antoko politika Armada Sampana aty Diego amin’ny fahavonoana hanohana ny kandida Andry Nirina Rajoelina ny sabotsy 1 septambra teo. Izany fanambarana izany dia niarahana tamin’ny antoko Tgv Diego.  3 septembre 2018

Araka ny fanazavana voaray dia ahitana antoko politika maromaro no mivondrona amin’io Armada io toy ny Mmm,Hiaraka Isika,antoko Maitso sy ny maro hafa. Ahitana ihany koa ireo fikambanana, sendika no efa vonona ny hanohana ny kandida laharana faha-13 ity.

Ankoatra izany dia fantatra ihany koa fa efa tafapetraka ny komity mpanohana ny kandida Andry Rajoelina raha ny aty Antsiranana itambaran’ny Faritra Diana sy Sava no resahina. Hita araka izany fa efa mihetsika sady vonona amin’ny fanomanana ny fifidianana ary nanambara ny kandida hoto hanana. Araka ny fantatra hatrany fa androany alatsinainy 3 septambra maraina no hifanome fotoana ao amin’ny Hotel de la poste ireo mpitarika ny antoko. Tonga aty Antsiranana ireto farany avy any Antananarivo.

Nisy araka izany ny fanentanana nataon’ny solombavambahoaka Jocelyne Maxime no sady sekretera nasionalin’ ny antoko Tgv misahana ny faritanin’ Antsiranana tamin’ny vahoaka taty an-toerana, mba ho tonga hanotrona ny fandraisana ireo vahiny sady hihaino izay ambaran’izy ireo.

Hotaterina eto amin’ny manaraka ny mahakasika izany.

Mpanjono

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés