Webradio

FAMONOANA OLONA TELO MIANAKA : Roa lahy nampidirina am-ponja vonjimaika

Roa lahy tamin’ireo olona nosamborina sy voarohirohy tamin’ny vono mahatsiravina nitrangana teny Imerintsiatosika no naiditra am-ponja vonjimaika ny alahady teo. 3 septembre 2018

Raha tsiahivina kely dia ny alahady 28 aogositra hifoha alatsinainy no nitrangana vono olona nahatsiravina tao amin’ny Fokontany Mamoladahy Imeritsiatosika ka maty tsy tra-drano tamin’izany ireo mpivady vao erotrerony niaraka tamin’ny zanany vao dimy taona monja.   

Hatreto aloha dia mbola manjavozavo tanteraka ary mbola manohy ny famotorana lalina ny tena zava-nisy ireo mpitandro filaminana any an-toerana  saingy fantatra tamin’ny loharanom-baovao voaray omaly fa  olona miisa roa no nampidirina am-ponja vonjimaika io omaly io , rehefa avy natolotra fampanovana ny voalohan’ny volana septambra lasa teo. 

Efa nahitana porofo mivaingana ny ahiahy napetraka tamin’izy ireo ka tsy nisalasala intsony ny zandary.  Mbola mipetraka hatreto ny fanontaniana hoe “inona no tena antony namonona ireto mpianakavy kely ireto ? “ . Eo am-panohizana ny raharaha  ny zandary misahana  ity tranga ity amin’izao fotoana izao.


Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés