Webradio

TSY FISIAN’NY SOLIKA : Miaina anaty haizina tanteraka Mahajanga sy Ambanja

Mbola manjaka tanteraka ny delestazy ao Mahajanga sy an- tampon- tanànan’ Ambanja ankehitriny. Nanomboka ny alakamisy dia fokontany vitsivitsy ao Mahajanga no nahitana fahatapahan-jiro.  3 septembre 2018

Manenika ny tanàna iray manontolo izany ankehitriny, ka miaina haizina tanteraka ny tanànan’i Mahajanga amin’izao fotoana. Nanambara ny tompon’ andraikitra ao Mahajanga tamin’io akalamisy io fa misy fanamboarana eo amin’ny milina mpanome herinaratra ao an-toerana fa misy fahavoazana. Nanomboka ny zoma indray anefa dia nihamafy izany fahatapahan-jiro izany, indrindra fa teny amin’ny fokontany Abattoir sy Ambovoalanana ary Tsaramandroso. 

Ny feo miely teny amin’ny Jirama no nahalalana fa efa vita ny milina saingy olana hafa mihitsy indray no miseho ankehitriny. «  Tsy ampy mantsy ny solika, hoy ny tompon’andraikitra, nitafa taminay  ». Marihina fa efa nananika ny sasak’alina vao tafaverina ny jiro tamin’ireo fokontany telo ireo ny zoma. Maty indray avy eo izany tamin’ny efatra maraina ary niverina raha tsy tany amin’ny 11 ora atoandro. Mitaintaina ireo mponina amin’ireo fokontany ireo satria dia hanararaotra hatrany ireo jiolahy izay efa manomboka manjakazaka any an-toerana. Araka ny vaovao azo farany dia amin’ny talata izao vao hiverina amin’ny laoniny ny famatsiana herinaratra izay.


Maizina tanteraka koa ny ao Ambanja

Nahitana fahatapahana toraka izany koa ny herinaratra tao Ambanja, ny sabotsy teo tokony tamin’ny 10 ora alina ary hatramin’ny ora nanoratana omaly (2 ora tolakandro) ary mbola tsy tafaverina izany. Ny antony dia tsy misy koa ny solika hahafahana mampihodina ny milina mamatsy herinaratra ampiasain’ny Jirama. Araka ny loharanom-baovao dia tsy Ambanja irery fa tsy misy solika hampihodina ny milina ihany koa ny Jirama any Nosy Be sy Antsohihy tahaka izay hita ao Mahajanga.  



Mahita hambara foana Rajaonarimampianina

Afaka efatra andro dia tsy maintsy hametra-pialana ny Filoha am-perinasa Hery Rajoanarimampianina izay kandida natolotry ny Hvm amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy izao. Tsy misy tsy nahare ny fampanantenana nomen’ity kandidà ity nandritra ny fampielezan-kevitra nataony ny amin’ny hanafoanany ny delestazy ao anatin’ny  volana vitsy monja. 

Tapitra ihany anefa ny fe-potoam-piasany sy nitondrany ny firenena fa mbola mitoetra ny delestazy ary vao mainka mihamafy izany amin’ny Faritra maro. Na izany aza mbola mahita hambara hatrany Rajaonarimampianina amin’izao an-katoky ny fifidianana izao ary milaza fa hanala ny vahoaka malagasy anatin’ny fahoriana misy azy. Miroso amin’ny fitokanana ny antsoiny hoe zava-bita ny tenany tato ho ato eny fa na ireny  fotodrafitrasa faran’izay kely mba hanehoana amin’ny vahoaka fa miasa ny fanjakana izay tarihiny.

Asa izay tsy misy fiantraikany amin’ny andavanandron’ny Malagasy. Dia mbola manantena tokoa ve ny HVM fa hanome azy 5 taona hafa azy ireo indray ny vahoaka ? Ho hitantsika eo ny fiafaran’ny fitondran’ingahy Hery Rajaonarimampianina.

A.Lepêcheur sy Papin

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés