Tato anatin’ny volana vitsivitsy dia nihamaro ireo mpivarotra manodidina io kaomisaria io ka lasa manemban- tsembana tanteraka ny fivezivezena teny. Araka ny nambaran’ireo mpivarotra dia mandoa haba amin’ny kaominina izy ireo izay mahatratra roa alina isam-bolana ka izany lehilahy atao hoe Domnique izany no mpandray ny vola sy manatitra ny ticket.
“Manara-dalàna izahay hoy ireo mpivarotra ka tokony ho nomena fampahafantarana mialoha fa tsy tonga dia ongotana fotsiny”. Tsy manara-dalàna kosa izy ireo raha ny lalàna satria voasokajy ho faritra mena ny manodidina ny tobin’ny mpitandro filaminana, ary tsy azo ivarotana ihany koa ny manodidina ny biraom-panjakana.
Manambara kosa ny tompon’andraikitra ao amin’ny kaominina fa azo esorina amin’ny fotoana ilàna ny toerana ireo mpivarotra ireo, na dia nahazo fahazoan-dalana tamin’ny kaominina aza.
Taratasy avy amin’ny tompon’andraikitry ny polisy kosa no nanesorana ireo mpivarotra. « Misy kosa ny fifampiresahana sy fifanatonana amin’ny roa tonta, hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny kaominina, ary hamerina ny zaridaina napetraka teo ny mpanao zaridain’ny kaominina. Tery ny lalana, fotoam-pialan-tsasatra izao ary ho avy koa ny fihaonamben’ny tanora na JMJ ka ho maro ny vahiny ho avy eto Mahajanga, izany indrindra no antony nanesirana ireo mpivarotra ».
Vanessa