Samy manana ny fandaharan’asany avokoa ireo mpilatsaka hofidiana miisa 36 saingy efa azo lazaina hatreto fa maro ireo resy lahatra amin’ny fandaharan’asa novolavolain’ny kandidà laharana faha 13 , izay tsy iza fa i Andry Rajoelina.
Manoloana ny fitsidiham-paritra notanterahiny saika nanerana ny Nosy dia maro tokoa ireo resy lahatra sy vonona hifidy azy noho ilay fahavitrihany hanarina ny firenena ao anatin’ny fotoana fohy. Betsaka ireo antoko na vondrona nampahafantatra ampahibemaso amin’izao fotoana fa hanohana ity kandida ity amin’ny fifidianana fiodinana voalohany ho avy tsy ho ela io.
Anisany efa niandrasan’ny mpanara-baovao maro ny haharesy lahatra ny Solombavambahoaka Siteny Randrianasoloniaiko voafidy tao Toliara. Namoaka fanambarana ny lehilahy fa manomboka izao dia hanohana ary hiaraka amin’ny Prezida Rajoelina sy fikambanana miara-dia aminy. Nohamafisiny fa tsy an-pisalasalana ary tsy an-tery ny fanohanana , noho ny fahatsapana fa manana vina goavana amin’ny alalan’ny Iem ny antoko Mapar.
Tsy ijerevana antoko politika hoy izy ny fampandrosoana an’i Madagasikara fa izay olona manana vahaolana dia tsara ampiana tosika sy iarahana miasa akaiky. Tombontsoan’ny vahoaka iray manontolo no katsahina fa tsy ho an’olom-bitsy, izay efa mahazatra ireo mpanao politika sasany. Efa hita taratra ihany koa tato ho ato fa lasa nanohitra ny fanapahan-kevitra izay noraisin’ny fanjakana i Siteny Randrianasoloniaiko.
Tsy azo lavina sy tokony hatao hampitolagaga izany satria efa mibaribary sy tsy azo afenina ny tsy fahaiza-mitantana manjaka amin’izao fotoana. Porofo mivaingana ny fanoherany ny fanomezana alalana ny fitrandrahana fasi-mainty ataon’ny fanjakana io. Famonoana ny faritra Atsimo ary niteraka korontana sy hatezerana ho an’ny vahoaka izany, ka nisy mihitsy ny fidinana an-dalambe izay notarihiny tao an-toerana teo aloha teo. Araka izany dia tsy ho voarebireby intsony ity farany fa dia vonona hampandany ny kandidà laharana faha13.
Mila fanavotana i Madagasikara
Efa iaraha-mahita ankehitriny fa tsy mendrika ho an’ny tanindrazana ny fitondran’ingahy Hery Rajaonarimampianina nandritra izay dimy taona izay. Maro ny lesoka mila hovaina tanteraka ary miandrandra filoha hitondra vahaolana iraisan’ny besini-maro ny rehetra. Ohatra fotsiny ny hetahetan’ny tsirairay amin’ny fanafoanana ny kolikoly avo lenta, ny firongatry ny tsy fandriam- pahalemana, ary indrindra fa ny fifehezana ny fidangan’ny vidim-piainana. Mila fanavotana i Madagasikara ary fitantana mahomby sy mahakasika ny olom-pirenena hatreto no tadiavina amin’ireo kandida vonona hitondra. Leo ny famahanan-dalitra sy ny fampanantenam-poakaty toy ny tamin’ity fitondrana ity tsinona ny rehetra ka manantena fiovana mivaingana sy hita maso manomboka izao.
Tatianà R.