Webradio

KANDIDA ANDRY RAJOELINA ANY FRANTSA : Nitsidika manokana ny “Musée du Quai Branly”

Taorian’ny fihaonana mivantana sy tafatafa niarahan’ny filoha mpanorina ny Iem, Andry Rajoelina tamin’ireo Malagasy mila ravinahitra ao Parisy-Frantsa dia niroso tamin’ny fitsidihana ny «  Musée de Quai Branly  » any an-toerana indray ny tenany afak’omaly.  19 septembre 2018

Nifanindra an-dalana tamin’ny fahatongavan’ity kandidà hifaninana hofidiana ho filoham-pirenena tany Frantsa ity ny fisokafan’ny fampirantiana an’i  Madagasikara ao amin’ity tahirim-bakoka ity ka anisany tonga nanome voninahitra izany ny tenany. Ireo kolontsaina tena mampiavaka sy manasongadina an’i Madagasikara no naranty tao amin’ity Mozea isany manan-tantara ao Parisy ity. 

Tafiditra ao anatin’izany ny  tantara, ny fomba, ny asa tanana  Zafimaniry, ny  zava-maneno, ny fitafy sy ny taovolo, ny lamba malagasy, ny moara ary ny Aloalo any atsimo izany fampirantiana izany.  Manampy izany koa ny  fampirantiana sary ataon’i Pierrot Men, miaraka amin’ny antontan-kevitra momba ny famadihana  sy ny fomba amam-panao malagasy. «  Vokatry ny fiaraha-miasa  amin’ireo mozea iraisam-pirenena sy ireo olon-tsotra nitahiry sy nanangona manokana izany no  nahafahana nanao  izao fampirantiana izao  », hoy ny mpikarakara ny hetsika.

 Ity no fantatra fa hetsika fampahafantarana voalohany nisy tao an-toerana hatramin’ny taona 1946 no nankaty. Karazan-javatra miisa hatrany amin’ny 350 maneho ny kolontsaina Malagasy no tena misongadina amin’izany. Tsiahivina fa ny talata 18 septambra  lasa teo no nanombohan’ny hetsika  ary tsy hifarana raha tsy ny 1 janoary 2019. Ankoatra ireo olona voasokajy tonga mitsidika izany dia heverina hampitombo ireo mpizaha tany tonga ao Parisy ity fampirantiana vakoka lehibe ao amin’ny “Musée du Quai Branly” ity.

Avotra Isaorana  

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés