Webradio

LOZA VOAJANAHARY : Nisehoana horohoron-tany indray teto Antananarivo, Manjakandriana, Mangamila

Tranga matetika niverimberina ihany koa tamin’ity taona ity ny horohoron-tany malefaka ary efa toerana maro no nampiomanin’ny teo anivon’ny Bngrc tamin’ny volana mey lasa iny.  19 septembre 2018

Mety ahiana mihitsy  aza ny fihetsehan’ny tany mafy ka mila mailo hatrany ny rehetra raha ny fanazavana voaray mahakasika izany. 

Efa misy fepetra noraisina amin’izao fotoana izao, izay amin’ny alalan’ny milina natao handrefy ny tany eto amintsika. Araka ny loharanom-baovao voaray omaly mahakasika izany dia  tao avaratr’i Manjakandriana, Talata Volonondry ary Mangamila  niampy ny teto an-drenivohitra no nahazoana tatitra fa nisehoana horohoron-tany indray. 

Tokony ho tamin’ny enina ora sy sasany maraina no nihovitra  ny tany ka fantatra fa  nahatratra 4,7 ny maridrefin’ny Richter  rehefa avy nanao fikarohana ny tompon’ andraikitra misahana  ny fandrefesana avy ao amin’ny IOGA. Azo lazaina aloha hatreto fa  mbola malefaka sy tsy dia misy atahorana loatra ny eto Madagasikara saingy mila mailo ihany ny rehetra amin’ny fiomanana amin’ny loza voajanahary tahaka ireny. Nohamafisin’ireto farany moa fa tsy nisy ifandraisany tamin’ilay horohoron-tany nitranga tao amin’ny Nosy Mayotte izy io.


Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés