Webradio

KITRA MALAGASY : Nanome toky ry Atallah Béatrice sy ny ekipany fa hanatontosa ny andraikiny

Nanome toky ny filoha mpitarika ny kômity ho amin’ny fampanaraham-penitra na ny « Comité de normalisation » ... 16 décembre 2018

Ramatoa Atallah Béatrice nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety izay nataony fa tsy maintsy tontosaina alohan’io volana Mey 2019 io ny fampanaraham-penitra ny Federasiônina Malagasin’ny baolina kitra sy ny fifidianana izay ho filohan’ny federasiônina. 

Andraikitra telo lehibe no miandry ireto kômity ireto ka isan’izany ny fampandehanana ny raharaha ankapobeny eo anivon’ny Federasiônina Malagasin’ny baolina kitra, eo koa ny famantarana sy fikirakirana ny momba ireo « ligue » miisa 22 manerana ny faritra ary ny farany nefa tsy kely indrindra dia ny fanomanana ny fifidianana izay ho filohan’ny Federasiônina hitantana sy handridra ity taranja ity. 

« Ny tokantrano tsy ahahaka » hoy ny fitenintsika Malagasy, ka tsara ny hisian’izao kômity ho amin’ny fampanaraham-penitra izao hisian’ny fivoarana ho any amin’ny tsaratsara kokoa. 

Sady hisahana ny asan’ny Komity mpanatanteraka araka izany ireto komity ho amin’ny Fampanara-ham-penitra ireto amin’ny alalan’ny fanatanterahana ireo fandaharam-potoanan’ny fifaninanana nasionaly sy kaontinantaly no  hiandraikitra ny asan’ny Vaomieram-pifidianana amin’ny alalan’ny fametrahana amin’ny toerany ny komity mpanatanteraka hitantana ny federasiona(FMF) alohan’ny 12 mey 2019.

Raha tsiahivina dia 26 andro anio izay no nametrahana ireto kômity ho amin’ny fampanaraham-penitra ireto. « Tsy mora ny manatanteraka ny asa andavanandron’ireo mpitantana teo aloha nefa tsy maintsy ekena satria ady izany », hoy ny filohan’ity kômity ity. 

Na izany aza, efa maro ireo asa notontosain’ireto ekipa ireto nandritra izay fotoana nipetrahany teo izay, ohatra amin’ireny ny fampandehanana ny ekipam-pirenena malagasy hiatrika ny kitra ambony fasika na « Beach Soccer » tany Ejypta hiatrika ny fiadiana ny amboaran’i Afrika na ny « Can » ka i Benony Jacques no nitarika ny delegasionina tamin’izany.  Efa voasokajy hiatrika ny Can ny ekipam-pirenena  malagasy Barea saingy na izany aza tsy maintsy omanina hatrany ny Can mba handresy mandrakariva ny ekipantsika malagasy. 

Isan’ireo izay nitondran’ny Fifa fanamarihana ihany koa anefa ankoatra ireo voalaza ireo ny fifidianana izay efa vita teny anivon’ireny seksiona tany amin’ny ligim-paritra ireny. Ireny ligim-paritra ireny no tsy maintsy hifidy ny filohan’ny federasiôna saingy na izany aza tsy maintsy ampiharina sy arahina ny lalàn’ny Caf. Tsy maintsy miverina amin’ny fiaingana vaovao araka izany ry zaero ary tsy manan-kery intsony ireo tatatasy filatsahan-kofidiana teo aloha fa tsy maintsy mametraka taratasy vaovao ireo izay teo hilatsaka ho filoha. 

Ny Ami

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés