Webradio

TOMPONDAKAN’NY TANORA HANDBALL : Tafakatra lalao famaranana ny ekipa ASR Boeny

Tafakatra hiatrika ny lalao famaranana ny ekipa ASR Boeny. Any Fianarantsoa izy ireo ankehitriny miatrika ny fiadiana ny tompondakan’ny tanora amin’ny taranja handball zazalahy latsaky ny 18 taona.  24 septembre 2018

Tamin’ny 9 ka mifarana androany 19 oktobra ny fiadiana ny tompondaka. Mizara vondrona efatra ireo mpilalao rehetra ka ao amin’ny vondrona A ny ekipa ASR Boeny. Nitarika hatrany izy ireo tamin’ny lalao fifanintsanana. Ny talata teo dia nifanandrina tamin’ny ekipan’i Zanakala avy any amin’ny faritra betsileo izy ireo, amin’ny lalao ampahefa-dalana izay nibata fandresena tamin’ny isa 27 noho 25. 

Ny alarobia kosa no natao ny lalao manasa-dalana  tao amin’ny kianja mitafon’ Anjoma ary mbola naharesy hatrany izy ireo ka izao hiatrika lalao famaranana izao. Naharesy ny ekipan’i Betroka izy ireo ka 31 no 29 no nisarahan’izy ireo. Ny groupe Siteny avy any Toliara kosa no hifanandrina amin’izy ireo amin’ny lalao famaranana.

Vanessa

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés