Tsapa fa tena miasa ireo komity avy ato amin’ny Faritra Diana sy Sava. Ny faran’ny herinandro teo, nitohy ny alatsinainy 24 septambra ny fitetezam-paritra nataon’ny Sekretera nasionalin’ny antoko Tgv misahana ny faritanin’Antsiranana, Ramatoa Jocelyne Maxime.
Taorian’ny tao Nosy Be, Ambanja, Ambilobe, izay ato amin’ny Faritr’i Diana dia nitohy tao amin’ny faritra Sava indray izany. Tafatsangana araka izany ny komity mpanohana ny kandida Rajoelina Andry tao Antalaha ny alahady teo, raha tamin’ny alatsinainy 24 septambra ny fananganana izany komity izany tao Andapa. Samy feno hipoka avokoa ireo trano fivoriana izay nandalovan’ny Dame de fer sady makotroka ihany koa ny fitsenana azy.
Efa mitsangana hatrany amin’ny fokontany ny komity, ary samy efa manatanteraka ny asa manandrify azy ny tsirairay. « Raha miankina amin’ny faritr’i Iharana ny voka-pifidianana ho avy izao ny anay fihodinana voalohany dia vita », hoy ny solontenan’ny fokonolona avy amin’ny fokontany iray ao Vohemar. Azo ambara araka izany fa efa vonona ireo mpanohana ny kandida Andry Rajoelina aty amin’ny faritanin’Antsiranana, Diana sy Sava.
Mpanjono