Nisy hatrany ireo fanambaràna nataony mifandraika indrindra amin’ny fitakiana ireo nosy ireo na io niantefa tamin’ny filoham-panjakana malagasy na niantefa tamin’ny filoham-panjakana Frantsay. Hatramin’izao mbola ady mafana ny fitakiana ny fiverenan’ireo nosy ireo ho eo ambany fitantanan’ny firenena malagasy.
Hiatrika fifidianana i Madagasikara atsy ho atsy ary iray amin’ireo kandidà mpifaninana ao anatin’izany no milaza fa hanao ny fomba rehetra hamerenana an’ireo nosy kely ireo ho fananana manokan’ny vahoaka Malagasy. Fantatra fa nisy ny fanangonan-tsonia nataon’ity farany, sonia marobe manamafy izay fitakiana ho amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny “îles eparses” izay mba tsy hogiazan’ny Frantsay intsony.
Nisy hetsika lehibe nataon’io kandidà io tetsy Mahamasina ny sabotsy lasa teo, nambarany tamin’izany fa sonia hatrany amin’ny 1 000 000 isa no voangona tao anatin’ilay hetsika nataony. Eo anatrehan’ izany indrindra dia somary nanaitra ity Vovonan’ny fiarahamonim-pirenena, Cram ity io vokatra azo io. Nisy ny fanambaràna navoakan’ ity farany izay nilazany fa “ sambany tamin’ny tantaram-pirenena no nisy fanangonan-tsonia toy izao”. Nilaza araka izany ny Cram fa tena mahaliana ny vahoaka Malagasy ny fitakiana sy famerenana an’ireo nosy kely manodidina an’i Madagasikara saingy kosa nanamafy izy fa tokony hampahafantarina ampahibemaso io fanangonan-tsonia io mialoha ny hitondrana azy eo anatrehan’ny firenena mikambana.
“Amin’ny fomba mangarahara dia tsara raha aseho amin’ny alalan’ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety izany mba ho hitan’ny rehetra sy tsy ho tompon-trano mihono ny olom-pirenena nandray anjara tamin’ ny fanaovan-tsonia satria fananana iombonan’ny vahoaka ireo Nosy malagasy, alohan’ny hitondrana azy any amin’ny Firenena Mikambana (New York)”, hoy hatrany ilay fanambaràna nataon’izy ireo.
Marihina fa efa nisy ny fikambanana nijoro hiady fotsiny ihany ho amin’ny famerenana ny “îles eparses” amin’i Madagasikara. Hatreto mbola tsy nampihetsi-bolomaso ny Frantsay izany.
Avotra Isaorana