Webradio

FIAKARAN’NY VIDIN-TSOLIKA : Tontosa teny Mahazoarivo ny fifanaovan-tsonia fifanarahana

Notanterahina teo ambany fitarihan’ny Praiminisitra Ntsay Christian tamin’ny 24 septambra teo  ny fifanaovan-tsonia fifanarahana teo amin’ny Governemanta malagasy sy ny solontena avy amin’ireo mpandraharaha solika eto Madagasikara. 26 septembre 2018

Araka ny tenin’ny Praiminisitra dia manan-danja ho an’ny Firenena ity fihaonana ity satria ilaina ny mahafantatra ny fanamby sy ny olana maro samihafa sedrain’ireo mpisehatra amin’ny solika ary indrindra, vonona ny hanome tanana amin’ny fitadiavana vahaolana maharitra ny Governemanta.

Tafiditra indrindra ao anatin’ ny fomba hitantanana ny fiakaran’ny vidin-tsolika eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy ny vokatr’izany eo amin’ny toe-karena malagasy, izao fifanarahana izao. Iaraha-mahalala fa niteraka fatiantoka ho an’ireo mpandraharaha ny nameran’ny fanjakana ny vidin-tsolika teto an-toerana, ka natao izao fifanarahana izao hijerena manokana ny fomba hahafahana mampidina ny vesatra mihatra amin’ireo mpandraharaha, ary amin’ny lafiny iray, ny fitsinjovana fifandanjana eo amin’ny tetibolam-panjakana.


 Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés