Tsy mangarahara ny fizaràna ireo fanampiana voarain’ny komity misahana ny fizarana. Misy olona tsy traboina sy avy amin’ny fokontany hafa tafiditra ao anatin’ny lisitry ny traboina ary misitraka fanampiana. Ny tena traboina anefa zara raha mahazo. Eo amin’ny fizarana, dia ny havan’ireo mpizara sy ireo olona akaiky azy no tena mahazo maro, raha ny fanazavana voaray hatrany.
Tsy misy rindran-damina mazava amin’ny fitsinjarana ireo fanampiana ka hiafara amin’ny ady saritaka ny fizarana ireo fanampiana ho an’ny traboina. Manjaka ny zara vilana.
Herinandro taorian’ilay haintrano niseho, dia tsy mbola tafarina ny fiainan’ireo mponina ao Tanambao V parisela 13/91. Na teo aza ny nanomezana alalana an’ireo traboina hipetraka vonjimaika ao amin’ny Epp La Marne izay mifanila amin’ilay fokontany nitrangan’ny haintrano, dia tsy nisy nandeha nifindra na ny iray aza fa nijanona nanao trano vonjimaika eo amin’ny toerana nisian’ny haintrano izy ireo.
Ino Vaovao