Miditra amin’ny andro faha-20 nisian’ilay « Opération Fandio » mantsy izy ireo amin’izao fotoana izao. Nisy indray ny vokatra azo tao anatin’ny 10 andro faharoa ka izao nampahafantarina ny mpanao gazety izao. Anisan’izany ny fahatrarana ramatoa iray mpivarotra rongony ao amin’ny faritra Tanamakoa. Rongony izay fantatra fa hafarana avy any amin’ny Kaominina Ifito distrikan’i Toamasina Faharoa. Amidy 5 000 Ariary ny fehiny raha 2 000 kosa ny efa vita fono anaty taratasy lavalava na ilay antsoina mahazatra hoe baomba.
Anisany vokatra azo koa ny fahatratrarana zatovo sy tanora, izay manendaka sy mangalatra eny amin’ny faritra Verrerie. Anisany vokatra azon’ny zandary ny faran’ny herinandro teo koa ny fahatrarana an’ireo jiolahy mpanendaka ao amin’ny Cité Canada ary ny fahatratrarana an’ilay tovolahy mpamaky kaontenera eny amin’ny lalam-pirenena faharoa.
Nandritra izao fampitam-baovao nataon’ny vondron-tobim-pileovana avy amin’ny zandarimaria Atsinanana izao dia nanararaotra nanao fampahafantarana ireo ezaka hatao ho fanatsarana hatrany ny filaminana ao Toamasina ny Lietna-Kolonely Ranaivoarison Théodule. Nambarany fa hisy ny fampiofanana ireo mpiambina sivily (sécurité civile) mba hahatonga azy ireny hanampy betsaka amin’ny fitandroana ny filaminana. Nomarihiny mantsy fa misy amin’ireo mpiambina sivily amin’ny orinasam-piambenana no mifandray tendro amin’ny jiolahy, ka lasa manimba endrika io seha-pihariana io. Anisany nahazoan’izy ireo vokatra rahateo izany.
Roalahy mpiambina sivily no niray tendro tamina jiolahy tamin’ny famakiana magazay fanatobiana entana teny amin’ny faritra Port Fluviale iny. Tsy mitsahatra manaparitaka ireo laharana ahazoana ny zandary ao Toamasina ny « Opération Fandio ». Ho an’ny laharana maitso, dia 119 avokoa na ho an’ny Airtel na Telma na ny Orange. Afaka mahazo ny zandray ao Toamasina koa ireto laharana manaraka ireto saingy ilàna fahana : 034 20 145 97 na 034 14 006 56.
Kamy