Webradio

OTIV BOENY : Hitokona indray ireo mpikambana raha tsy misy vahaolana

Notontosaina ny 24 septambra tamin’ny 10 ora sy sasany maraina ny fivoriana momba ny Otiv Boeny nokarakarain’ny tambajotra mpiaro ny zon’ny mpanjifa eto Mahajanga izay notarihin’i Gabin.  26 septembre 2018

Tao amin’ny la voirie Analakely no nanatontosana izany. Ny antony nanaovana ny fivoriana dia ny fitadiavam-bahaolana momba ny hamerenana ny volan’ireo mametra-bola ao amin’ny OTIV Boeny izay tsy nahitana vahaolana nandritra ny 2 taona izay. Efa maro ireo hetsika fitakiana natao saingy mbola tsy nisy valiny hatreto.  Nisy ihany koa ny fe-potoana nomena ireo lehibe hitadiavam-bahaolana ao anatin’ny herinandro ka raha toa ka mbola tsy ahitam-bokatra izany dia haverina indray ny fitokonana izay hatao eo anoloan’ny biraon’ny Prefektioran’i Mahajanga, hoy ireo mpikambana. 

Araka ny voalazan’ireo mpikambana ao amin’ity fikambanana ity dia tsy mitaky zavatra hafa ankoatra ny hamerenana ny volany izy ireo. Raha tsiahivina moa ny niandohan’ny olana dia fisian’ny fanodinkodinana ny petra-bolan’ireo mpikambana. Eo ihany koa ny fividianana tany mora sy ny fanorenana fikambanana ary koa ny fampindramana vola an’ireo tsy mpikambana izay volan’ny mpikambana avokoa no nanatanterahana izany. Izany dia niafara tamin’ny fitoriana ny lehiben’ny Otiv Boeny, izay voalaza fa nanodinkodim-bola.

Misy ny fifanakalozan-kevitra niarahana tamin’ireo parlemantera izay natao omaly ary mitohy androa-ny havoitra amin’izany ny olan’ny Otiv Boeny ka nanasana ireo mpikambana sy ireo mponin’i Mahajanga hifanohana.

Juliani Stagiaire

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés