Webradio

JENERALY CAMILLE VITAL : Tsy hihemotra amin’ny fanohanana an’i Andry Rajoelina

Hatrany am-boalohany dia efa naneho ny fahavononany amin’ny fanohanana ny kandidà Andry Rajoelina, laharana faha-13 ao anatin’ny bilèta tokana ny antoko Hiaraka Isika, tarihin’ny jeneraly Camille Vital. 29 septembre 2018

Mbola namerina nanamafy ny fanohanany  an’ity kandidà ity hatrany ny tenany tamin’ity herinandro ity.

Tsy hihemotra fa hiroso hatrany. Nanamafy ny jeneraly Camille Vital fa tsy miala amin’ny kandidà Andry Rajoelina ary hanao ny ezaka rehetra amin’ny fampandaniana azy. Ity farany dia efa mpikambana teo anivon’ny vondrona politika Armada izay nanolotra an’i Andry Rajoelina ho kandidà tokana iraisan’ireo antoko politika marobe ao anatin’ity vondrona politika ity. Nilaza ny Jeneraly Camille Vital, filohan’ny antoko Hiaraka Isika fa anisan’ireo kandidà manana vina matotra ny kandidà Andry Rajoelina amin’ilay vinan’asany ho fampandrosoana an’i Madagasikara na ny IEM. 

“Marina fa efa nirotsaka hofidiana ho Filoham-pirenena ny tenany tamin’ny taona 2013 . Matoa ny olona iray milatsaka dia manam-pikasana ny hanao zavatra ho an’ny firenena ary hijery ny lesoka rehetra izay tokony hahitsy mba ho tombontsoam-pirenena sy ho tombontsoam-bahoaka, kanefa tsy lany. Noho izany dia aleo misintaka manaraka ny onjam-piainana ka nanapa-kevitra ny tenako fa aleo manohana olona, aleo manohana olona tokony hahavita azy”, hoy ny fanazavana noentin’ny jeneraly Camille Vital. Efa anisany nitana andraikitra ambony teto amin’ny firenena ny tenany indrindra tamin’ny andron’ny tetezamita izay nitantanan’ny kandidà Andry Rajoelina. Eo anatrehan’izany ihany no aniriany ny ho fitohizan’ ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. 

Nomarihany tsara fa efa teny nierana teo amin’ireo mpikambana rehetra eo anivon’ny antoko Hiaraka Isika ny fanapahan-keviny amin’ny fanohanana ny kandidà Andry Rajoelina. “Noho ireo praograman’asan’ny kandidà Andry Rajoelina dia naleoko nanapa-kevitra ary fanapahan-kevitra niarahana tamin’ny antoko, izany hoe aleo manohana olona ary ny safidinay dia nilatsaka tany amin’i Andry Nirina Rajoelina”, hoy hatrany izy nanamafy. Hatreto dia marobe tsy tambo isaina ireo antoko politika, fikambanana ary olon-tsotra efa nanao fanambaràna ho amin’ny fanohanana sy ny fampandaniana ny kandidà laharana faha-13, Andry Rajoelina noho ny vinan’asany izay tena maharesy lahatra ny maro.

Avotra Isaorana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés