Ny Talata 25 septambra lasa teo, dia mpangalatra kisoa indray no nifanenjehana nanerana ny lalam-pasika tao Tanambao-Verrerie, nanomboka tamin’ny 12 ora antoandro be izao ary ny komandin’ny Fip ny Kaomisera, Rafaliarivo Jules, mihitsy no nitarika ny ekipa. Raha ny loharanom-baovao dia nisy tokantrano iray very kisoa ary efa matetika lasibatra amin’izany.
Ny andron’ io talata io dia hitan’ny tompon-kisoa teny ambony latabatry ny mpivarotra iray teny an-toerana ny kisoany efa maty. Tamin’ny alalan’ny marika saro-pantarina mipetraka eo amin’ny sofin’ilay kisoa no nahalalany ity biby fiompy notezainy. Raha nanontaniana tokoa ilay mpivarotra henan-kisoa dia niaiky fa hena tsy nalaina tany amin’ny labatoara io amidiny io fa naterin’ olona tsotra teo fotsiny. Tsy nolanjaina akory fa natao tomba-maso no nividianana ity kisoa efa maty ka ny harivan’io andro no hiverenan’ilay mpangalatra haka ny vidin’ilay kisoa ireo mpanatitra hena. Vokany taorian’ny nahatongavan’ny polisin’ny Fip dia natao ny fikarohana an’ireo mpangalatra kisoa, ka voasambotra tao an-tokantranony ilay tovolahy kely iray izay notondroin’ilay ramatoa nivarotana an’ ilay hena halatra. Nitohy niantombka teo ny fikarohana an’ ireo tena atidohan’ny halatra kisoa izao saingy tafatsoaka.
Kamy