Webradio

TSIMBAZAZA : Vehivavy iray indray hita faty nihantona ny sabotsy maraina teo 

Ny sabotsy maraina teo indray dia vehivavy iray maherin’ny 35 taona no hita faty nihantona tetsy akaikin’ny Parking Tsimbazaza.  1er octobre 2018

Araka ny filazan’ireo olona manodidina dia ireny olona sahirana na 4’mi ireny ity vehivavy maty ity. Nalefa eny amin’ny tranom-paty eny amin’ny Hjra ny razana ary hatramin’ny ora nanoratanay omaly dia tsy mbola nisy olona milaza havany naka ny razana.  Araka ny fahitan’ny maro  azy dia toa nisy namono ity vehivavy ity. Ny fanadihadiana ataon’ireo mpitandro filaminana eo anivon’ny polisy misahana ny heloka bevava no hahitana ny tena marina.

Raha tsiahivina dia vao tamin’ny herinandro lasa iny no nahitana tranga tahaka izao koa teo an-drenivohitra. Renim-pianakaviana iray no hita faty nihantona tamina tetezana teny amin’ny faritra Tsarahonenana Andraisoro iny. Efa nisy ireo olona notazonin’ny mpitandro filaminana tamin’ity tranga voalohany teny Andraisoro ity. Andrasana araka izany ny marina mikasika ity raharaha ity.

 A.Lepêcheur

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés