Webradio

TOAMASINA : Karnavaly no nanokafan’ireo mpomba an-dRajoelina ny praopagandy

Vao nisokatra ny datin’ny fampielezan-kevitra, dia nampiseho ny tanjany sahady ireo mpomba ny kandida laharana faha-13 ao anaty bileta tokana, Andry Rajoelina.  9 octobre 2018

Na mbola tsy tonga tany an-toerana ny kandidà tohanan’izy ireo dia tonga maro ireo mpanahana ny kandidà laharana faha-13. Niainga avy teo anoloan’ny kianja mitafo Soavita nyfilaharambe na ny karnavaly. Nandalo tao Tanamakoa, Valpinson, Ankirihiry, Tanambao Fahadimy, ary nofa-ranana teo amin’ny araben’ny fahaleovantena manoloana ny tranombarotra Shoprite.

Tomefy olona maro hatrany ny lalana rehetra nolalovana. Voaporofo koa fa matotra sy havanana amin’ny fikarakarana hetsika goavana ireo mpitarika ny Komity mpanohana an’i Andry Rajoelina eto Toamasina.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés