Webradio

KANDIDA LAHARANA FAHA-13 : Hitafa amin’ny vahoakan’ i Mahajanga amin’ ny sabotsy 13 Oktobra

Ny sabotsy 13 Oktobra izao no hitafa amin’ny vahoaka eto Mahajanga ny kandida laharana faha-13 ao amin’ny biletà tokana, raha tany Antsiranana no nanombohany ny fampielezan-keviny. 10 octobre 2018

Tahaka ny mahazatra dia vahoaka an’aliny hatrany no mandray azy ary miloko volomboasary hatrany izay toerana andalovany. Efa vonona tanteraka ireo mpomba azy eto Mahajanga. Miisa roa ny ‘Quartier général’ eto Mahajanga dia eny amin’ny tranon’ny depiote Nina sy eny amin’ny Sodiat. Ny ben’ny tanàna Andriantomanga Mokhtar, izay voafidy tamin’ny lokon’ny TIM rahateo, tsy mitsahatra manentana. Betsaka toy izany koa ireo tanora misafidy ny hanohana an’i Andry Rajoelina. 

Efa tonga eto Mahajanga ihany koa ilay fiarabe misy ‘écran géant’. Maro ireo mpandray anjara amin’ny fampielezan-kevitra ka mitsidika ireo kaominina manodidina an’i Mahajanga. Efa manomboka mametraka ireo afisy misy ny sarin’ny kandida laharana faha-13 amin’ireo toerana natao ho an’ izany ihany koa ireo mpomba azy. Na izany aza dia miandry fatratra io sabotsy io ny ankamaroan’ny olona, sabotsy izay fotoana ahitana indray an’i Andry Rajoelina fa izay mahavangivangy, hono, tian-kavana.

Vanessa

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés