Webradio

FANAFIHANA TAO BEMANONGA : Mpanara-dia 1 maty, 5 hafa naratra mafy, lasa ny omby 35 isa

Mandravarava hatrany ankehitriny ireo dahalo manodidina ny Faritra Menabe. Tao  Marovoay Kaominina Bemanonga Distrikan’i Morondava indray no  fantatra fa lasibatra ny alatsinainy alina lasa teo  ka mpanara-dia iray no voalaza fa lavon’ny bala, olona dimy hafa naratra mafy.  10 octobre 2018

Ankoatra izay  fifandonana izay dia  voangona tamin’ny tatitra voarainay omaly fa  omby miisa 35   lasan’ireo malaso no mbola tsy nisy tafaverina. Mbola mitohy araka izany ny fanarahan-dia sy fiambenana ny kizo rehetra ao an-toerana.  Dahalo mitam-basy miisa fito no tonga  nanao ny fandravana  ny fananan’ireo mponina tao an-toerana ka noho ny tsy fitovian-kery dia nahazo vahana izy ireo namoaka ny omby tao am-bala. Nohamarinin’ny fokonolona fa basy vita gasy miisa dimy no  fitaovana nentin’ireo olon-dratsy niarovan-tena. 

Tamin’ny fotoana  nanatanterahana ny fanarahan-dia no raikitra ny fifampitifirana. Teo no nahavoa ireo olona naratra mafy sy nindaosin’ny fahafatesana. Soa ihany fa mba nalaky tonga ny mpitandro filaminana nana-mpy azy ireo tamin’ny  fikarohana ny olon-dratsy hatramin’ny omaly.  Avy hatrany dia noentina tao amin’ny Hopitalibe Namahora  Morondava moa ireo naratra mafy ireo.

Efa manomboka fantatra ireo nandroba, mitohy ny  fikarohana

 Leo tanteraka ny   fampihorohoroana  ataon’ireo malaso  ao anatin’ny Faritra Menabe ny mponina, eo anatrehan’izany indrindra dia niara-nisalahy ireto farany  ny amin’ny fikarohana azy  fito lahy ka tsy hanaiky mora ny zava-misy.  Raha ny voalazan’i Maharo Jean, Filohan’ny Dinabe ao an-toerana  dia efa mihafantatra tsikelikely ny toerana fieren’ireo dahalo nitondra ny omby nangalariny saingy mbola mametraka vela-pandrika mba hahamora foana ny fifanenjehana. Efa nisy nahatazana rahateo koa fa nandalo tao amin’ny tanànan’i Manambaliha ireo olon-dratsy. 

Nifampizara avy hatrany noho izany ny vatan-dehilahy ka ao ny miambina ny lalana mihazo an’i Bevoay, ao  ireo miambina ny lalana mihazo an’i Betsiriry mba hanatratrarana haingana ny dian’ireto mpandrava. Manao antso avo hatrany ny mpitandro filaminana ny amin’ny fifampizaràna  vaovao marim-pototra, amin’izay vetivety foana dia voasambotra ireo mpanapotika ny fananan’olona. Marihina fa i Menabe  dia isany faritra masiaka amin’ny tsy fandriampahalemana indrindra eto Madagasikara.

Tatianà R.  

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés