Webradio

RAZANA NATOPAN’NY RANOMASINA : Hamangy havana no nialan’ilay tovovavy teny Belobaka dia izy hita faty izao

Eo amin’ny 16 ka hatramin’ny 18 taona eo ity tovovavy maty an-drano ity, raha ny tomban’ ny  mpitsabo azy. 11 octobre 2018

Mitafy tee-shirt mena ambony ary zipo jeans ambany. Izany hoe tsy olona vonona hilalao ranomasina araka ny nambaran’ny dokotera René avy ao amin’ny BMH.  Tsy nahitana faritra voadona na naratra kosa ny vatany. Ny talata tolakandro no nisy nahita natopatopan’ny ranomasina, teny amin’ny cap ouest,  manakaiky ny ENEM ny vatana mangatsiakan’ity tovovavy iray ity. 

Nampilaza avy hatrany ny tompon’andraikitra izay nahita ka nidina ifotony ny BMH sy ny mpitandro filaminana. Araka ny fizahan’ny dokotera dia tamin’ny 10 ora na tamin’ny 11 ora maraina tany no maty izy io. Tsy fantatra moa hoe avy aiza izy io ka nanao fampahafantarana sy antso ho an’izay mahafantatra azy ny ao amin’ny kaominina. Naterin’ireo mpiasan’ny kaominina teny amin’ny tranom-paty eny amin’ny hopitaly Androva kosa ny razana avy eo. 

Efa tonga teny ny havany naka ny razana ka teo no nahafantarana fa monina eny Belobaka ity tovovavy ity. Handeha hamangy ny nenitoany eny Ambohimandamina no nialany tao an-trano ary dia tsy fantatra ny nahatonga azy any anaty ranomasina. Ny vatana mangatsiakany sisa nalain’ny havany. Na tsy voasokajy ao anatin’ny fahafatesana mampiahiahy aza ny an’ ity tovovavy ity dia mampa- metra-panontaniana ny maro ny antony nahatonga azy anaty rano sy nahitana azy teny amin’ny cap ouest.

Vanessa

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés