Araka ny loharanom-baovao voaray dia ny talata lasa teo no niakatra fampanoavana izy ireo. Raha tsiahivina kely dia fandrobana, fanohintohinana ny filaminam-bahoaka no nanenjehana azy ireo tamin’ny fotoana nanaovan’ireo tantsaha ny fitokonana momba ny raharaha mahakasika ny tohodranon’i Dabaraha.
Nisy ny fanara-raotana nataon’ireo olon-dratsy izay naharatrana olona marobe. Nandritra ny fanadihadiana lalina nataon’ny mpitandro filaminana no nahatrarana ireo olona notanana am-ponja vonjimaika ireo. Amin’ny ankapobeny dia efa miverina amin’ny laoniny ankehitriny ny fiainana andavanandron’ny mponina taorian’ ny fametrahana ny fepetra hentitra momba ny fivezivezen’ny mponina amin’ny alina. Mbola mitohy hatrany hatreto ny famotorana ity tranga iray ity raha ny fanazavana voarainay teo am-panoratana omaly.
Tatianà R.