Webradio

FILOHAN’NY ANTOKO MMM – FREEDOM - MAITSO : Nandresy lahatra ny mponin’Itasy

Miditra amin’ny andro fahavalo anatanterahana ny fampielezan-kevitra ireo kandidà miisa 36 amin’izao fotoana izao.  15 octobre 2018

Ho an’ny kandidà Andry Rajoelina laharana faha-13 manokana dia mizotra amin’ny antsakany sy andavany tanteraka izany, ary saika ao anatin’ny fahombiazana hatrany. Ny sabotsy lasa teo dia ireo filohan’antoko mpiara-dia sy manohana ny kandidà Andry Rajoelina no niara-nidina ifotony nitety Kaominina ao anatin’ny Faritra Itasy.

Anisany tonga tany an-toerana tamin’ izany i Hajo Andrianainarivelo filohan’ny antoko Malagasy Miara-Miainga, ny filohan’ny antoko Freedom Rakotondrazafy Lalatiana ary ny filohan’ny antoko Maitso Georget Alexendre. Fahombiazana hatrany ny azon’ireo mpiara-dia amin’ny kandidà Andry Rajoelina. Saika mifanitsa-kitro hatrany ireo vahoaka tonga, izy ireo izay efa tsy nahita mangirana tao anatin’ny taona maro nifandimby. Kaominina miisa telo anisany ahitana be mpifidy indrindra no notsidihan’izy ireo tamin’izany, toy ny tao amin’ny Kaominina Mandiavato, Mananasy, Anosibe-Ifanja ary ny Kaominina Sarobaratra-Ifanja.

Nandresy lahatra ireo mponina izy ireo tamin’izany mba handatsa-bato ho an’ny kandidà Andry Rajoelina n°13 amin’ny fifidianana izay hatao amin’ny 7 novambra ho avy izao, nampahafantatra azy ireo amin’ny antsipirihany ihany koa an’ilay vinan’asam-pampandrosoana nataon’ny kandidà Rajoelina ao anatin’ilay IEM. Ankoatr’izay nanararaotra nitondra ireo karazan’olany rehetra izay vato misakana azy ireo amin’ny fiainany andavanandro ireo mponina. Nisy ny fihainoana izany ary nampanantena izy ireo fa tonga soa aman-tsara any amin’ny kandidà Andry Rajoelina ny hetahetan’izy ireo.


Avotra Isaorana 

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés