Webradio

ONIVERSITE : Samy miziriziry ny mpianatra sy ny filoha, mikatso ny fampianarana

Nikatso tanteraka ny fampianarana ao amin’ny Oniversiten’i Toamasina.  2 novembre 2018

Miditra amin’ny herinandro faha-4 amin’ny fitokonana ataony ireo mpianatra. Izy ireo izay mitaky ny fijerena akaiky momba ny naoty tamin’ny taon-dasa ka nahatonga azy ireo tsy afa-panadinana. Ny fomba fampiharana ny rafitra Lmd ataon’ny mpitantana ny Oniversiten’i Toamasina no lazain’ireo mpianatra fa tsy mazava.

Efa namaly ireo  mpianatry ny Oniversite fa tsy misy azo atao. Izay tsy afaka dia tsy afaka. Teny izay vao mainka nahatezitra an’ireo mpianatra ka nahatonga azy ireo mbola manohy hatrany ny fitokonana.

Nampiato ny fampianarana ny mpitantana ny Oniversiten’i Toamasina. Mbola mihenjan-droa araka izany ny tady eo amin’ny roa tonta. Ho hita eo ny ho tohin’ny raharaha.


Kamy

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés