Fantatra tamin’ny loharanom-baovao voaray avy any an-tampon-tanànan’i Toliara àry fa olona miisa efatra hatreto no namoy ny ainy, manodidina ny roapolo isa naiditra hopitaly ny alarobia lasa teo vokatry ny fihinanana trondro antsoina hoe “sardinelle” na koa antsoina hoe “vezo” na “geba”. Marihina fa matetika mahafaty olona mihitsy ny fihinanana io karazan-trondro iray io rehefa andro mafana. Saika isan-taona no ahenoana olona maty vokatry ny fihinanana izany toy ny tany Antsiranana sy Toamasina tamin’ny taon-dasa. Fanina avy hatrany, marary an-doha ary mivalana sy mandoa vokatry ny poizina ny fomba fisehon’ ireo izay mihinana izany ka miafara amin’ny fahafatesana mihitsy raha tsy voavonjy.
Tsy mitsahatra manome torolalana hatrany ireo tompon’ andraikitry ny jono sy harena an-dranomasina fa “manomboka ny volana oktobra hatramin’ny volana mey dia tena mila fitandremana ny fihinanana trondro anaty ranomasina satria fotoana fanirian’ireo karazana zavamaniry madinika mitondra poizina any anaty ranomasina, izay tena tian’ny trondro sasany. Tsy tsara sy tsy dia azo hanina ihany koa ireo trondro tia mipetraka anatin’ireo vatoara na “corail”. Tsara ho fantatra àry fa ny trondro mitondra ireto anarana ireto : ampigny, sorindra, ambatsy harana, tazara, amatra, antsigora, samaïtso, amalom-bato, kabo, varavarà sarda, lao komena…dia tokony hofadiana ny fihinanana azy ireo mandritra ny vanim-potoana voafaritra, voalaza etsy ambony. Mila mailo avokoa araka izany ny rehetra satria tsy ampoizina ny loza mety hateraky ny sakafo misy poizina, indrindra fa ny trodron-dranomasina.
Tatianà R.