Webradio

POLITIKA

FIFIDIANANA : Tonga ny mpanara-maso andiany faharoa avy amin’ ny Vondrona Eropeanina

Ny 1 novambra lasa teo no tonga teto Madagasikara ny mpanara-maro ny fifidianana miisa 46 avy amin’ny Vondrona eropeanina.  6 novembre 2018

Andiany faharoa ireto tonga ireto. Miampy an’ireo efa tonga teto mialoha, dia manodidina ny 100 izany ny mpanara-maso ny fifidianana avy amin’ny vondrona Eropeanina tonga eto amintsika amin’izao fifidianana filoham-pirenena izao. Nandalo fiofanana tao Antananarivo momba ny fizotry ny fifidianana malagasy izy ireo. Hanara-maso akaiky ny famaramparanana ny fampielezan-kevitra, ny fizotry ny fandatsaham-bato, ny fanisam-bato ary ny fanaraha-maso ny fampiakarana ny voka-pifidianana any amin’ny toerana voatokana amin’izany. 

Nomarihin’ny filohan’ny iraky ny mpanara-maso ny fifidianana avy amin’ny Vondrona eropeanina, Christian Preda fa mpanara-maso ao anatin’ny fotoana fohy ireo 46 tonga ireo, ary hanampy ireo mpanara-maso ny fifidianana ao anatin’ny fotoana maharitra, izay efa nitety faritra maro teto Madaga-sikara nanara-maso ny fizotry ny fampielezan-kevitra ary ny fanaraha-maso ny fampitaovana ataon’ny Céni. Raha tsiahivina, dia ny 22 septambra no nanomboka tonga teto Madagasilara ny iraky ny Vondrona eropeanina hanara-maso ny fifidianana izay ho Filoham-pirenena atao eto amintsika. Fanaraha-maso mahaleo tena no ataony, hoy hatrany ny filohan’ny mpanara-maso  ny fifidianana avy amin’ny Vondrona eropeanina.

Kamy

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés