Webradio

TANAMBAO V TOAMASINA : Mpamaky trano noraisim-potsiny ny alahady 4 novambra lasa teo

Ny tao an-trano nandeha namonjy fiangonana, tovolahy iray kosa nikotrika halatra. Io no zava-nisy tao Tanambao V Toamasina, ny alahady 4 novambra lasa teo tokony ho tamin’ny 10 ora antoandro.  6 novembre 2018

Tsikaritry ny manodidina ny fitsofohan’ny tovolahy iray sahabo ho 19 taona tao amin’ilay tokantrano. Navelan’ny fokonolona ho tafiditra tsara tao an-trano dia nohidin’izy ireo avy any ivelany ny vavahady. Avy dia niomana hamoaka sy hitatitra entana teny ivelan’ny tokotany ilay jiolahy. Nandritra izay, niantso mpitandro filaminana ny fokonolona ka noraisim-potsiny ilay tovolahy.

Raha ny fanazavan’ny fokonolona eny an-toerana, dia tokantrano maro no lasibatry ny vaky trano amin’ny andro alahady tao ho ao izay. Izao fahatrarana ny iray amin’ireo mpamaky trano ireo izao dia hampihena ny asa ratsy eny an-toerana, hoy hatrany ny fanazavan’izy ireo.

Manaja ny zon’ olombelona ny fokonolona ao Tanambao V ka navelan’izy ireo hoentin’ ny mpitandro filaminana ilay tovolahy saika hamaky trano fa tsy nisy nikasa hanao fitsaram-bahoaka.

Kamy

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés