Voalaza fa tompon’antoka nahavanon-doza ary nandray anjara mivantana tamin’ ny famonoana izy ireo. Ny roa tamin’ireo lehilahy no tena namono nandatsaka ny ainy, ny roa kosa mpiray tsikombakomba. Ireo vehivavy indray dia nampitsoaka sy nanafina ireo olon-dratsy. Raha tsiahivina dia niaraka nanao connexion internet amin’ny Wifi an’ny sampan-draharaha iray ao amin’ny Bloc administratif Ampisikina i Jimmy sy ny namany.
Nisy enin-dahy nanendaka ny findainy ary tonga dia nanindrona antsy azy, tsy tana intsony ny ainy ary nitarika tamin’ny fahafatesany izany. Fantatra tamin’ny fanadihadiana nataon’ny Polisy hatrany àry fa tsy mbola ampy taona ny roa lahy nahavanon-doza voasambotra. Efa natolotra ny Fampanoavana, omaly maraina, moa izy 6 mianaka nahavanon-doza ireto.
Tatianà R.