Webradio

DISTRIKAN’I TSARATANANA : Dahalo telolahy maty voatifitry ny zandary

Anjakan’ny tsy filaminana tanteraka ny any Tsaratanàna. Distrika ampijalian’ny asan-jiolahy ity farany.  6 novembre 2018

Samy mitranga any an-toerana ireo karazana asan-jiolahy na ny halatr’omby na ny fakàna an-keriny. Raha nangingina na niatoato kely ny asa ratsy ataon’ireo mpaka an-keriny niandahy niambavy mihitsy dia ny alahady 4 novambra teo indray no nisehoana halatr’omby tany an-toerana, izay niafara tamin’ny famoizana aina telo nandritra ny fanarahan-dia natao an’ireo omby very sy ireo olon-dratsy nitondra azy. 
Dahalo fitolahy no nanafika tanàna kely tao amin’ny kaominina ambanivohitra Sarobaratra, Distrikan’i Tsaratanàna ny alahady maraina teo. 

Omby miisa 12 no lasan’ireo andian-dahalo tamin’izany. Tsy niandry ela anefa fa avy hatrany dia nampandre ny zandary ny tompon’omby taorian’ny fanafihana ka raikitra ny fanarahan-dia.Tsy lasa lavitra akory ireo mpandrava dia tratran’ireo mpanara-dia niarahan’ny fokonolona sy ny zandary any an-toerana. Tsy nanaiky mora anefa ireo mpangalatra omby teo anatrehan’ireo vatan-dehilahy maro mpanara-dia.  Raikitra araka ny fifandonana teo amin’ny andaniny sy ny ankilany ka nirefodrefotra ny basy. Nandritra ny fifandonana dia maty voatifitra ny dahalo miisa telo. Raha nahita izany ireo naman’ireo olon-dratsy dia namela ny ireo nangalariny ka nanao tongotra an-katoka nitsoaka ireo mpanara-dia. 

Tafatsoaka noho izany ny olon-dratsy  miisa efatra sisa velona. Tafaverina amin’ny tompony daholo ny omby noentin’ireo dahalo.

Vanessa

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés