Webradio

RAHARAHA FANOLANAN-JAZA : Miseho ho mahay polisy ambony ilay voarohirohy

Manahy ny ray aman-drenin’ilay zazavavikely naolan’ny vadin’ny rahavavin-dreniny tao Tsararano, ny amin’ny mety ho tohin’ny raharaha. 6 novembre 2018

Efa voamarin’ny mpitsabo fa simba tanteraka ilay zaza, voamarina ihany koa fa ilay lehilahy io no tena nahavanon-doza. Efa any amin’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona ny raharaha, nefa miseho ho mahalala polisy ambony ilay nahavanon-doza. 

Takaitra mandra-maty entin’ity zazavavikely ity ny fanolanana nahazo azy, satria mbola norahonan’ilay olon-tsy vanona tsy hiteny amin’ny ray aman-dreniny izy ary tsy niteny tokoa fa namany hafa no nanambara ny zava-misy. Iharan’ny sazy araka ny voafaritry ny lalàna  izay rehetra tratra manolan-jaza.

Vanessa

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés