Webradio

TOETRY NY ANDRO : Ahiana hivadika rivodoza ilay andian-drahona any Avaratra Atsinanan’i Diego

Miovaova sy mivadibadika tanteraka ankehitriny ny toetr’andro eto Madagasikara. Hatreto aloha dia ny oram-baratra arahina tafiotra mafy no tena atahoran’ny mponina.  6 novembre 2018

Raha tsiahivina kely izao dia teny amin’ny Faritra Atsimondrano iny no  nahapotehana zavatra goavana, indrindra nandritra ny firotsahan’ny havandra  ny volana oktobra lasa teo. Lasibatra tamin’izany ireo voly marobe teny amin’ny manodidina. Sahiran-tsaina tanteraka ny mponina satria tsy mety ho marin-toerana ny toetrandro tato hoa ato. 

Tsy dia nahitana rotsak’orana be toy ny tamin’ny taon-dasa rahateo koa no sady mbola hita taratra indraindray ny  volon’andro ririnina. Fantatra tamin’ny loharanom-baovao voarainay, omaly avy amin’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro ary fa misy andian-drahona arahi-maso amin’izao fotoana izao ny ao amin’ny ranomasimbe Indianina. Any amin’ny 1660 km Avaratra Atsinanan’ Antsiranana no misy azy  ary ahiana hivadika ho rivodoza, ato anatin’ny roa na telo andro. 

Araka ny tatitra voaray hatrany dia  tsy misy fiantraikany  amin’ny mety ho fivadibadiky ny toetr’andro  eto amintsika izany ao anatin’ny dimy andro. Arahina maso akaiky anefa na izany aza ny fizotrany. Ho maina sy hanevokevoka   araka izany ny andro  nanomboka omaly, ka hatramin’ny 11 novambra ho avy izao. Hitsitokotoko ny orana tandrifin-drahona   ho an’ny eto afovoan-tany, Faritra Melaky ary faritra Bongolava, hiitatra any amin’ny tapany  Atsimon’ny Nosy izany ny faran’ny herinandro. 

Ho maina kosa ny androany amin’ny faritra sisa. Na izany aza dia tsy hihetsika firy ny marim-pana ka  [15-25°C] ny marim-pana ambany, [29 - 37°C] kosa ny marim-pana ambony . Milaza tsy tapaka ny fiovan’ny toetry ny andro kosa ny eo anivon’ny sampana mpamantatra izany raha toa ka misy fiovana mety atahorana.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés