Webradio

FARIHIN’ I KINKONY : Nandrarahana zanaka tilapia 35000 isa ny herinandro lasa teo

Nanatanteraka fandrarahana zanaka tilapia miisa 35 000, ao amin’ny farihin’i Kinkony ny sampan-draharahan’ny jono sy ny harena anaty rano tamin’ny herinandro lasa teo. 6 novembre 2018

Izany no natao dia mba hampitombo ny taranaka trondro sy ny vokatra azo rehefa misokatra ny fotoam-panjonoana. Hihidy manko ny jono an-dranomamy manomboka ny 15 desambra izao, mandritra ny fotoana voafetra, mba hahafahan’ireo zanaka trondro mitombo taranaka sy ahafahan’ireo mponina manodidina mitrandraka maharitra ny farihy. 

Hita mantsy fa tsy mitsahatra mihena ny vokatra ary misy karazana trondro fahita fahiny sy nampalaza ireo farihy ireo, efa lany taranaka ankehitriny. Tsinjovina ny taranaka fara aman-dimby mba hisian’ny fitrandrahana maharitra sy mateza. 

Mandritra izany, tsy azo alaina ny trondro latsaky ny 7 santimetatra, araka ny nambaran’ny talem-paritry ny jono eto Mahajanga ary tsy azo anjonoana na anaratoana ny farihy herinandro aorian’ny nandrarahana ireo zanaka tilapia ireo. Mirefy 13 900ha ny farihin’i Kinkony ary mamelona olona maro.

Vanessa

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés