Tamin’ny anaran’ny vahoaka Amerikanina iray manontolo no nitondrany ny teny niarahabana ny vahoaka Malagasy noho ny fahatontosan’ny fifidianana tao anatin’ny filaminana sy ny fitoniana tanteraka. “Amin’ny anaran’ny vahoaka Amerikanina no iarahabako ny vahoaka Malagasy noho ny fanatanterahan’ireo olom-pirenena ny fifidianana izay ho filoham-pirenena”, hoy izy. Nambarany fa tontosa lavitry ny korontana ny fifidianana teto Madagasikara izay notanterahina ny alarobia lasa teo iny ka isany tena nahavelom-bolo azy ireo izany.
Izay kandidà ho tonga eo amin’ny toeran’ny filoham-pirenena, hoy hatrany izy, dia tokony hampanjaka mandrakariva ny fahaiza-mitantanana sy ny tany tan-dalàna ary manana anjara andraikitra goavana amin’ny fampahatsiahivana azy izany ihany koa ny olom-pirenena sy ny vahoaka Malagasy. Nampahatsiahiviny fa tao anatin’ny 150 taona dia nifanome tanàna tamin’i Madagasikara hatrany i Etazonia indrindra eo amin’ny fampanjakana ny demokrasia ary ao anatin’ny 150 taona manaraka dia mbola vonona mandrakariva izy ireo hiaraha-hiasa akaiky amin’ny firenena Malagasy.
Avotra Isaorana