Manao tsipaky ny miala aina. Manohy ny fanampara-pahefana efa nahazatra azy hatramin’ izay ny ekipan’ny antoko Hery vaovao ho an’i Madagasikara na ny HVM. Mbola mametraka ny tenany ho tsy refesi-mandidy, ka tsy mahalala intsony ny fetran’ny fahefahana farany tokony hananany. Omaly maraina dia mpanao gazety manao asany avy ao amin’ny fahitalavitra KoloTv no niharan’ny antsojay nataon’ny Hvm indray.
Teny amin’ny toeram-pandrindrana ny fampielezan-kevitry ny kandidàn’ity antoko ity na « QG »-ny tetsy Andraharo no nis