Webradio

POLITIKA

RAVALOMANANA MARC : « Mpanangona fa tsy mpanangana »

Mitady ny fomba rehetra hiverenana eo amin’ny fitondrana indray ankehitriny Andriamatoa Ravalomanana Marc rehefa avy naloan’ny vahoaka tamin’ny taona 2009 noho ny jadona nataony.  16 novembre 2018

Isany nokianin’ny CENI mafy ireo haino aman-jery mpanohana azy noho ny fanabontsinana ny voka-pifidianana izay mampisavorovoro saim-bahoaka. Efa nikasa hamory olona tetsy Ambohijatovo mihitsy aza moa ny lehilahy tamin’ny sabotsy 10 Novambra lasa teo saingy noraràna izany ho fitandroana ny filaminana. Miezaka mafy izy ankehitriny manasa ny sain’ny Malagasy amin’ny hoe : “Mpanangana fa tsy mpandrava”. 

Nanangana araka ny hirahirany tokoa ve anefa Ravalomanana Marc ? Raha tsiahivina ny tantara dia tamin’ny fotoana nitondrany indrindra aza no nanamontsanany ireo orinasa maro mba hampanjakany ny orinasany. Anisany nitondra faisana tamin’ireny ny PAPMAD, 3FRERES, AFOMA … sy ireo maro hafa. Nalaza tamin’ny fanaovana “Jadona” ny lehilahy nandritra ny fotoana nitondrany ny firenena ary tsy nisy nahasahy nanohitra azy tamin’izany. Am-bentin-teniny ny hoe : “Tsapao aloha ny herinareo vao mitsapa ny ahy”, raha sendra nisy nitsikera ny tsy nety nataony tamin’izany. Ankehitriny milaza azy ho “Mpanangana” indray ny lehilahy. 

Noventimbetesina any anatin’ireo hira nentina nanohanana azy nandritra ny fampielezan-kevitra ny hoe : “Izay nirodana mbola hatsangana”. Mazava araka izany fa ny laharam-pahamehany raha toa ka tafaverina eo amin’ny fitondrana indray izy dia ny hamerina ireo harenany sy ny orinasany rava. Ny marimarina kokoa angamba dia “Mpanangona” Andriamatoa Ravalomanana Marc fa tsy “Mpanangana”. 

“Mpanangona”” ho an’ny tenany ary mpanangona sy mpitsetsitra ny Malagasy efa mahantra. Raha tsiahivina, tsy mbola nanomboka akory ny fampielezan-kevitra dia efa niantso vonjy “Tolo-tanana” nentina nanaovana fampielezan-kevitra ny lehilahy.

Ny vahoaka Malagasy izay tokony hotolorana sy difotry ny fahantrana indray no mbola notsetsefina tamin’ny fangatahana “tolo-tanana”. Ny orinasany no niroborobo fatratra nandritra ny fotoana nitondrany satria nafangarony tamin’ny fitantanana ny firenena ny fitantanana ny orinasany. Nampihantainy fatratra ny orinasa “TIKO” ary ireo fotodrafitrasa izay natsangany raha toa ka mitonon-tena ho “Mpanangana” izy dia tsy natsangany velively ho tombontsoan’ny vahoaka malagasy fa natsangany ho tombotsoany manokana.

Ny Ami


RAVALOMANANA MARC
2018-11-21 12:35:08 par ANDRIANANJANIRINA Rija

Je sais que vous n’allez pas publié mon commentaire, mais au moins je suis sûr que vous aurez pu le lire.1/Ne soyez pas sûr que "Ra8 naloambahoaka".Car moi je fais partie des vahoaka et j’ai toujours souhaité que Ra8 finisse ses mandats, d’ailleurs beaucoup étaient comme moi ! 2/Certes, Ra8 a fermé des industries, mais c’étaient celles qui ont été toujours habituées au "moramora" sans besoin de suivre des règles ni disciplines, et Ra8 c’est un homme de discipline ! 3/ Peut-être ces entreprises que Ra8 a fermées ont de l’amertume pendant son régime mais "les vahoaka madinika maro an’isa" y compris moi, nous vivions très bien du temps de Ra8.Excusez-moi ! Nous allons encore le remettre au pouvoir, et ce n’est plus une bande de menteur ni de tricheur dirigé par un putchiste de soi-disant patriote, qui bloquera notre route.Ravalomanana sera devenu de nouveau Président de la République de Madagascar. Merci d’avoir lu mes commentaires


RAVALOMANANA MARC
2018-11-23 04:59:53 par rasolo

Averina fa Andriamanitra dia manala izay mpitondra manaotaofona fa FITAOVANA fotsiny ihany ny vahoaka sy ny mpitari-tolona . Azo lazaina fa netinety ihany ny fiainan’ny vahoka t@ faha tsiranan a kanefa nisy zava-tsy nety nataon’ny mpitondra dia tongan y tolona 1972.
Toy izany koa ny TOLOMBAHOKA 2009 izay ezahin’ny sasany ( indrindra ny Tim ) ho kosehana : ny fanaparam-pahefana maro nisy t@ izany ,

- ny fanangonan-karena araka izay tratra nataon’ny orinasan’ny filoha ( satria notohizana LAVA ilay TSY FANDOAVANA HETRA t@ andron-dratsirahonana ) ,

- ny <> : ry tompon’ny société 3 frères nogadraina satria sahy nifaninana t@ TIKO t@ resaka menaka , Maty mihintsy aza ilay tompon’ny orinasa anankiray

- mody nividy ombivavy be ronono ny fanjakana ka vitsy dia vitsy ny nahatakatra ny vidiny ka ny TIKO no nividy mora azy avy eo ,

- nakatona sady nopotehina ny Télé VIVA noho ilay fanehoan-kevitry ny amiraly,

- saika azon’ny orinasan’ ngahy ravalo daolo na ny olona akaiky aminy ny « marché public » rehetra t@zany ( na ny fanaovan-dalana aza sy fanaovana ny ROVA , sté Alma ?) , na hatramin’ny marché t@ « fanisambato teny @ minisiteran’ny atitany »

- teo ny mpanao poltika nogadraina
- ny raharaha force one sy fikasana fivarotana tany
- nomena tombony ny MBS satria nahazo niparitaka eran’ny nosy, ary niray trano tery @ foiben’ny MBS ny fanaparitahana ny TVM sy MBS sns…

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés