Webradio

MAHAJANGA : Zazalahy 13 taona voatsatoka antsy tamin’ny famonjena zazavavy roa naolan’ny jiolahy

Avy nanatitra mpianatra ity tovolahy, tamin’ny telo ora tolakandro teo, ny alarobia teo, no sendra tovovavy kambana roavavy nanaovan’ny tovolahy miisa enina herisetra hoendahina sy haolana. 16 novembre 2018

Efa an-dalana hody izy no naheno ny antso vonjin’ izy mirahavavy ireo. Tsy nisalasala ity tovolahikely vao 13taona monja niverin-dalana hamonjy azy roavavy. Ny iray tamin’ireo enindahy efa nitolona ilay zazavavy. Be noho ny vitsy anefa ary nanaovan’ireo jiolahy enina tambabe, ka lavo tamin’ny tany. 

Mbola tsy namelan’izy ireo mihitsy ary notsindrominy antsy avy eo, ka voa teo amin’ny kibony. Tafaporitsaka izy mirahavavy. Ilay tovolahy kosa mbola afaka nandeha namonjy ny sefo fokontany. Ity farany no nitondra azy teny amin’ny toby fitsaboan’ny masera. Efa nametraka fitoriana ny fianakaviana. 

Ity tovolahikely maherifo ity kosa dia mendriky ny homen’ny tanànan’i Mahajanga valisoa satria mbola tanora tokoa dia efa manana fo antra sy mitsangana amin’ny maha olompirenena vanona manohitra ny ratsy. Ohatra eo amin’ny fiarahamonina izy ka mendriky ny  ampaherezina hatrany.

Vanessa


MAHAJANGA
2018-11-21 12:37:54 par ANDRIANANJANIRINA Rija

Midera ny herimpon’ity tovolahy kely ity.Marina ny voalazan’ny lahatsoratra : tokony homena mari-pankasitrahana izy

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés