Webradio

AMBATOLAMPY ANTEHIROKA : Raim-pianakaviana iray maty voatsatok’antsy

Lehilahy iray  monina eny Ambatolampy Antehiroka indray no   hita faty teny amin’ny manodidina ny trano fonenany, ny alin’ny alahady lasa teo.  20 novembre 2018

Ireo  olona handeha hiasa vao maraina omaly no nahita ny razana voalohany. Nampiantso ny teo anivon’ny fokontany sy ny BMH ary ny mpitandro filaminana izy ireo mba hizaha ny razana. Nandritra izay fotoana izay dia voaporofo fa nahitana dian’ antsy miisa roa ny vatany. Izany hoe, karazany nisy namono tamin’ny toerana hafa ny lehilahy izay vao naterina teny akaikin’ny tranony. 

Misy ireo milaza  ihany koa fa mety ho  nisy nanendaka teny am-pamonjena fodiana,  satria somary mangina ary marefo amin’ny resaka tsy fandriampahalemana ny tanàna. Ny  fanendahana sy fanafihana trano no tena mahazo vahana tato ho ato ka mitety trano mihitsy ireo jiolahy. Hatreto aloha dia mbola  tsy nisy tratra ireo olon-dratsy mahavanona izany. Manao antso avo amin’ny mpitandro filaminana, araka izany, izy ireo mba hidina ifotony, hitady vahaolana ho azy ireo.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés