Webradio

FIFAMOIVOIZANA - BEL’AIR : Moto sy fiara nifandona, olona miisa 2 naratra mafy

Nisesisesy ny trangana lozam-pifamoivoizana teto an-drenivohitra, izay tsy maintsy ahitana moto hatrany.  20 novembre 2018

Ny alahady tolakandro lasa teo dia teny Bel’air Ampandrana indray no nisehoana fifandonana  tamina moto sy fiara ka fantatra tamin’ny loharanom-baovao voaray fa olona miisa roa nitaingina moto no voalaza fa  naratra mafy. Teo amin’ny faritry ny loha  daholo no tena voa. 

Fantatra tamin’ny  fanadihadiana sy ny tatitra avy tamin’ireo nahita maso ny tranga fa saika hisongona ity moto ity  kinanjo nivily tampoka ny fiara. Vokany, naratra mafy izy roa ireo ka  nifarimbonana nalefa tany amin’ny hopitaly avy hatrany. Raha ny angom-baovao voaray hatramin’ny omaly dia  mbola eo am-pitsaboana tena ireto naratra ary  efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ny  fanadihadiana ny zava-misy.

 Raha tsiahivina dia vao tamin’ny herinandro lasa teo no nahafatesana tovolahy 19 taona  monja nitrosona tao ambany kamiaoben’ny “Star” teny Behenjy, teny Ampefiloha ihany koa no nahafatesana  lehilahy iray nandeha mafy tamin’ny andro avy orana ka tsy avotra ny ainy na dia noentina teny amin’ny tobim-pahasalamana aza. Mitovy tsy misy valaka tamin’izany ihany koa  ny zava-niseho teny Andohatapenaka sy 67 ha atsimo iny. 

Voamarika tamin’ity taona ity fa ireo andiana tanora mitondra moto  no tena iharam-pahavoazana mafy noho ny fisetrasetrana diso tafahoatra ny ankamaroany. Hany ka ny aina mihitsy no manaraka. Eo anatrehan’izay  anefa dia tsy mitsahatra mampahatsiahy ireo polisy misahana ny fifamoivoizana eto an-drenivohitra mba samy hitandrina ny mpampiasa lalana satria lahitokana ny aina.

 Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés