Webradio

DRAFITRA FAMPANDROSOANA NY FARITRA : Nohavaozina ny an’ny faritra Boeny

Ny zoma teo no nisy ny atrikasa nampahafantarana ny “drafitra fampandrosoana ny faritra Boeny”.   20 novembre 2018

Hasiana fanatsarana sy fanavaozana io drafitra io ka tao amin’ny roches rouges no nisy ny atrikasa niarahan’ny faritra tamin’ny minisiteran’ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana ary ireo mpiara-miombona antoka rehetra. Nambara tamin’izany moa fa tsy ny ekipan’ny faritra irery no  mandinika ny drafitra fampandrosoana fa ny antokon’olona rehetra, ny tanora, vehivavy, ny tsy miankina sy ny sehatra rehetra izay tokony handray anjara amin’ny fampandrosoana… 

Efa misy ny ”structure locale de concertation’ ahitana ny solontenan’ny vahoaka rehetra isan-tokony amin’izay mazava aminy ny zava-misy, miara-mijery sy manatanteraka ny tokony hampandrosoana ny faritra ka samy handray anjara daholo, ny faritra dia hitarika fotsiny amin’izany fampandrosoana izany. Fitaovana izy io, hoy ny lehiben’ny faritra. 

Ka ny fomba fijery sy vinan’ny vahoaka sy ny mpitondra izay tsy miala amin’ny vinan’ny fanjakana sy ny zava-misy maneran-tany no misy ao. Isaky ny 10 taona no ovaina izy io satria miova koa ny vina nasionaly sy maneran-tany ka tsy maintsy ampanarahina ny toetrandro, hoy kosa ny lehiben’ny Faritra. Anisany faritra mandroso ny faritra Boeny saingy hiroso bebe kokoa amin’ny fampandrosoana.

Vanessa

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés