Avy hatrany dia fitsaram-bahoaka fa tsy mila mpitandro filaminana intsony. Tranga maro no efa niseho teo aloha, eny fa na hatramin’ny mpitandro filaminana aza ankehitriny sahin’ny fokonolona vonoina, vao tsy ela akory izay. Ny sabotsy lasa teo tao Madirokely kaominina Tsararano Distrikan’i Marovoay indray no nahitana ity tranga mahatsiravina ity. Tovolahy manodidina ny 26 taona antsoina hoe Jean Chris no voarohirohy fa namono nahafaty an-dRafidiarison Florencien.
Nalain’ny miaramilan’ny Das ity farany mba hatao fanadihadiana. Vao nandre izany anefa ny fokonolona dia tezitra mafy ka nitroatra sy nikasa sy handeha hamono azy avokoa. Raikitra ny savorovoro tamin’izay fotoana izay ka tsy navelan’ny mponina io lehilahy io raha tsy nindaosin’ny fahafatesana. Marihina anefa fa mbola tsy fantatra mazava izay tena antony niahiahiana azy saingy tsy te hahalala izany ireo mponina fa dia samy nitroatra namono azy daholo. Nisy ny fepetra noraisina taorian’izay dia ny tao amin’ny Borigadin’i Marovoay no nisahana ny famotorana lalina ity tranga ity. Arahina akaiky ny fizotry ny raharaha amin’izao fotoana izao.
Tatianà R.