Nihorohoro fatratra ny mponina ary samy tsy nisy sahy nivoaka ny trano fonenany. Vokany, omby miisa 20 voalaza fa an’i Velo, no voaroban’ireo olon-dratsy. Avy hatrany dia nampandre ny zandary mampandry tany ao an-toerana izy ireo tamin’ io alina io ihany, ka nifampitaona mba hanara-dia ny omby lasa. Tsy ela dia tonga ireo mpitandro filaminana raha ny tatitra voaray ihany ka raikitra ny fiambenana ny kizo rehetra teny amin’ny manodidina fiafenan’ny malaso.
Teo amin’ny toerana atao hoe Antsira fokontany Bemangoraka no nahatrarana ireto dahalo. Nitsoaka moa ireto farany rehefa nandre ny firodorodon’ny fokonolona mpanara-dia ka navelan’izy ireo teo ny omby. Soa ihany fa tafaverina tamin’ny tompony tamin’izay fotoana izay ihany ny fananany. Tsy nisy ny olona naratra na ny aina nafoy nandritra ny fifandonana na dia teo aza ny tahotra vokatry ny fampihorohoroana nataon’ny dahalo. Ireo olon-dratsy kosa mbola karohina fatratra amin’izao fotoana izao.
Tatianà R.