Misy ny hetsika fisamborana ireo olona tratra mandripaka ala, indrindra ireo mbola sahy manohitra izany. Ampiasana fitaovana harifomba sy amin’ny alalan’ny zana-bolana mihitsy no itadiavana ireo olona mahavanona izany ankehitriny. Tsy hanaiky mora amin’izay olona tratra mandika lalana amin’ny fandripahana ala intsony izy ireo manomboka izao. Iaraha-mahita ankehitriny ny fahasimban’ny tontolo iainana izay tena lasa miantraika amin’ny fiainantsika olombelona mihitsy ny voka-dratsiny.
Ohatra velona amin’izany ny fisiana havandrabe izay mbola tsy fahita teto Madagasikara mamotika ny voly narahina ora-mikija, tahaka izany koa ny fahataran’ny orana izay ilain’ny tantsaha amin’ny fambolena sy ny fiompiana. Manoloana izany indrindra dia fantatra tamin’ny loharanom-baovao voarainay, fa olona miisa roa hatreto no tratra ambodiomby nanao ity famotehana ala ity, dimy hafa kosa mbola karohina fatratra satria raha ny tatitra ihany dia nitsoaka ao anaty ala izy ireo. Tsy hikely soroka amin’ny fanasaziana ireo olona tratra moa ny tompon’andraikitra ary mitohy ny hetsika mba hiarovana ireo harena voajanahary.
Raha tsiahivina dia fampandrosoana maharitra ny Faritra Alaotra-Mangoro sy ny amin’ny Faritra Atsinanana iny no tena tanjona amin’izao hetsika izao. Fepetra hahatomombanana ny fahatsaran’ny fiainan’ny olombelona ny paikady hampandrosoana ireo faritra arovana, ka tokony hiara-hisalahy amin’ izany ny tsirairay. Ny ala atsinanan’ i Madagasikara no ipoiran’ny loharano izay fototry ny ain’ny zavaboahary, antoky ny fambolena sy ny fiompiana, izay iankinan’ny fivelomantsika andavanandro. “Ndeha kajiana sy koloina ny ala, higohantsika, ny zanatsika, ny taranatsika ny fanomezany !”
Tatianà R.