Manambara ny tompon’andraikitry ny ATT sy ny tompon’andraikitry ny fitaterana ao amin’ny kaominina fa raha tsy misy ny fanamarinana avy amin’ny tompon’andraiki-panjakana eto Mahajanga dia azo heverina ho hosoka izany. Araka ny fantatra dia sakanan’ireo olona ireo ny bajajy ka ny mpamily no anontaniany ny tompony sy ny tranony ary itongavany any.
Misy tamin’ ireo mpamily natahotra satria misy kasem-panjakana ilay taratasy ka nitondra ireo olona tamin’ny tompon’ny bajajy. Manamarika ireo tompon’andraikitra eto Mahajanga fa raha misy ny fangatahana sy fiaraha-miasa toy izany dia tokony manatona ny tompon’ andraikitra maka fankatoavana mialoha. Betsaka ireo sampan-draharaha avy any Antananarivo no mitaky vola amin’ny mpandraharaha toy izao. Zary fomba fanao izy io ary misy hatrany ny fanerena an-kolaka.
Lazaina fa fiaraha-miasa sy ho fanampiana ny mpandraharaha, nefa ireo mpandraharaha no terena lava toy ny omby, nefa tsy misy tombontsoa azony akory. Fanamboarana ‘plaquettes publicitaires’ moa no anafenan’izy ireo matetika ity halatra sy fitakiana vola tsy ara-drariny ity.
Vanessa