Lasibatra amin’izany ny faritra Andranomadio parisela 11/41 sy 11/42 ary Andranomadio 11/43. Ny sabotsy 1 desambra lasa teo no voasambotry ny FIP tao Andranomadio 11/43 izy roalahy. Izy ireo izay omen’ny mponina ao anarana hoe “Mpanendaka tanalahy”. Fantatra mantsy fa manao lamba ambony sy lamba ambany maro izy ireo rehefa manatanteraka ny asa ratsiny.
Avy manendak’olona na mamaky trano ka raha misy manaraka, dia esorina ny lamba ivelany mba entina hanariana dia ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana.
Ny antoandron’ny sabotsy, teo am-panatanterahana ny asa ratsiny no voasambotry ny avy eo anivon’ny Fip ireto jiolahy ireto. Nanambara ny Kaomisera Rafaliarivo Jules kaomandin’ny Fip Toamasina fa vokatry ny fiaraha-miasa matotra eo amin’ny fokonolona eny ifotony sy ny Fip no nahazoana izao vokatra izao.
Kamy