Webradio

ANDRANOMAINTSO ISANDRA : Nogiazan’ny dahalo ny razan’ireo mpanara-dia

Fokonolona am-polony no lavon’ny dahalo tamin’ny fanarahan-dia tany Mahazoarivo kaominina Andranomaitso distrika Isandra. 3 décembre 2018

Ny alin’ny alakamisy teo no nitranga ny fifanjevoana tany an-toerana. Andian-dahalo no nanafika tao amin’io tanàna io ary omby an-jatony no norobain’izy ireo tamin’izany. Poa-basy sesilany no nataon’ireo dahalo tamin’izany. Nirohoroho ny mponina saingy tsy nilefitra ka niroso avy hatrany tamin’ny fanaraha-dia. 

Nohodidin’ny dahalo ireo mpanara-dia ka tafalatsaka afovoany fitifitra variraraka no nataon’ireo dahalo. Fokonolona am-polony mpikambana ao amin’ny Soa MIray Dina no matin’ ny dahalo. Ny razana telo ihany no azon’ ireo fokonolona fa am-polony kosa no nogiazan’ireo dahalo. Ireo mpanara-dia sasantsasany dia miafina any amin’io kaominina io fa matahotra ny ainy. 

Omaly no nidina tany an-toerana ny zandary nanao ny fikarohana sy ny fanarahan-dia niaraka tamin’ny fokonolona. Mbola nitohy hatramin’ny omaly ny fikarohana ireo razana sy ireo dahalo ireo.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés