Webradio

TSY FISIAN-DRANO ENY ITAOSY SY NY MANODIDINA : Hanamafy ny hetsika ny mponina

Tsy mbola misitraka vahaolana maharitra momba ny tsy fisian-drano hatreto ny mponina eny Itaosy sy ny manodidina. 3 décembre 2018

Ny eny Ambohidrapeto no tena lasibatra amin’izany ka raha ny tatitra farany voarainay dia hanatevina ny hetsika indray izy ireo ny sabotsy 1 desambra teo ka hitokona hanamafy ny fitakiana .” 

“Efa ho efa-bolana mahery izahay no nijaly rano, hoy ireo mponina ka tsy zaka intsony ary tsy  maintsy mitroatra”. Hatramin’izao anefa dia mbola tsy fantatra mazava izay tena   vahaolana avy amin’ ny tompon’andraikitra tokony hijery akaiky izany. Efa nisy ny fihetsiketsehana  firaisankina nataon’izy ireo roa herinandro lasa izay saingy tsy mbola nahitam-bokany. 

Fanindroany izao ka raha ny tatitra voaray  avy amin’ny solontenan’ny mponina dia hohamafisina kokoa ny fangatahana sao mba ho tonga saina ihany ny jirama. Sanatria, hoy ireto farany ka fitiavana hikorontana fotsiny tsotra izao fa efa mihatra aman’aina ny fijaliana amin’ny rano. Manginy  fotsiny ny tsy fahadiovan’ny rano raha mba sendra mandeha. Nifampitaona araka izany ireto  farany mba hiray hina  ho amin’ny anio ka samy ho tonga eny amin’ny Sinibendrano Ambohidrapeto daholo. Arahina akaiky  indray ny  fizotry ny hetsika.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés