Ity farany izay Karàna tompon’ny orinasam-pitateran’entana Transfy izay nisy naka an-keriny ny alarobia 21 novambra tao Ampasimazava Toamasina.
Ny marainan’ny alakamisy 29 novambra, dia nanatanteraka fampitam-baovao tamin’ny mpanao gazety tao Toamasina ny Omc Atsinanana. Nitarika izany ny Lietna-Kolonely Ranaivoarison Théodule kaomandin’ny vondron-tobim-pileovana ny zandarimaria Atsinanana (groupement). Notronin’ny avy teo anivon’ny tafika nahitana ny Kolonely Randriamifidy Andy Patrick ( chef de corps ) avy amin’ny 1/RM3 . Ho an’ny amin’ny polisy, dia nahitana ny Kaomisera Razafindahy Manitra Fleurys sy Kaomisera Rafaliarivo Jules. Fotoana izay nanambarana fa rehefa natao ny fihainoana dia tsy nisy fifandraisany velively tamin’ilay raharaha fakana an-keriny an’i Armane Kamis ilay polisy iray sy miaramila iray.
Nanambara kosa ny Omc Atsinanana fa raha sanatria misy mpitandro filaminana tena voaporofo marina fa tafiditra amin’iny raharaha fakana an-keriny iny, dia tsy maintsy ampiharina