Fikambanana MAMI na Malagasy Mifanampy izay izy no filoha nasionaliny.
Taorian’ny fahatongavany, dia nisy ny fihaonana tamin’ireo mpikambana. Fihaonana natao tao amin’ny efitrano fanaovam-pety La Famille Salazamay.
Nambarany nandritra izany fa voatery nandeha tany ivelany ny tenany nanaraka fitsaboana vokatry ny aretina nahazo azy. Tonga ny fotoana iverenako amin’ny fanasoavana ny mpiara-belona, hoy i Maminirina Jean Eddy nandritra ny fihaonana tamin’ireo mpikambana MAMI.
Ny sabotsy 1 desambra, dia hisy ny fety sady fihaonambe ataon’ny MAMI eny amoron-dranomasina Toamasina. Fiaraha-mikorana sy nofon-kena mitam-pihavanana no atao amin’izany. Marihina fa faritra telo eto Madagasikara no efa misy fikambanana MAMI, dia Toamasina, Menabe ary Alaotra-Mangoro. Hanana solontena avokoa ny faritra rehetra amin’ny sabotsy io.
Nandritra io fitsenana azy tao Toamasina ny alakamisy 29 novambra io, dia tsy niresaka politika na ny kely ny filoha nasionalin’ny MAMI, Maminirina Jean Eddy.
Kamy