Efa ela no niketrehany ity “amboara” iray ity ka izao havoaka amin’ny fomba ôfisialy izao ny vokatra. Araka ny nambarany dia amboaran-tononkalo nosoratany nanomboka tamin’ ny taona 2004 ka hatramin’ ity taona 2018 diavintsika ity no hitambatra ho “Vikina”. Ny “Vikina” dia mitantara sy maneho ireo trangam-piainana lalovan’ny zanak’olombelona ka voafaoka ao anatin’izany ny tontolon’ny fitiavana, ny trangam-piarahamonina, ny fahantrana